Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-12

1 Ary niteny tamin'izy ireo tamin'ny fanoharana izy nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray namboly voaloboka, ka namefy azy manodidina, nandavaka tany hanaovana famiazana, nanorina tilikambo tao, ary nampanofa azy tamin'ny mpamboly voaloboka, dia lasa nankany an-tany hafa.

2 Nony tonga ny fotoana, dia naniraka ankizilahy anankiray ho any amin'ny mpamboly izy mba handray vokatry ny tanim-boaloboka: 3 fa nosamborin'izy ireo ilay mpanompo, ka sady nokapohiny no nampodiny maina. 4 Dia naniraka ankizilahy anankiray hafa ho any aminy indray izy, fa io koa dia sady noratrainy ny lohany no nalany baràka. 5 Ary naniraka ankizilahy anankiray hafa koa izy, fa novonoiny; ary nisy maro hafa koa, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny. 6 Dia ny zanany lahy tokana malalany indrindra no sisa tao aminy, ka io no nirahiny tamin'ny farany, fa hoy izy: Hanaja ny zanako izy. 7 Kanjo ireto mpiasa nifampilaza hoe: Inty ny mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lova. 8 Dia nosamboriny izy ka novonoiny, ary natsipiny any ivelan'ny tanim-boaloboka. 9 Inona àry no hataon'ny tompon'ny tanim-boaloboka amin'izany? Ho avy izy, ka ny mpiasa haringany, ary ny tanim-boalobony hafindrany amin'ny hafa. 10 Moa tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin'ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian'ny mpanao trano no tonga vato fehizoro; 11 avy tamin'Andriamanitra izao ka mahagaga eo imasontsika? 12 Ary nitady hisambotra azy izy ireo, satria fantany fa izy ihany no lazainy amin'izany fanoharana izany, saingy natahotra ny vahoaka izy; koa nandao azy, dia lasa. 13 Tamin'izay dia naniraka ny sasany tamin'ny Farisiana sy Herodiana izy ireo mba hamandrika azy amin'ny teniny,

14 ka nony tonga ireo dia nanao taminy hoe: Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina hianao ka tsy mampaninona anao ny olona, satria tsy mba mizaha tavan'olona hianao, fa mampianatra ny làlan'Andriamanitra araka ny marina. Moa mety va sa tsia ny mandoa hetra ho an'i Sezara: handoa izahay sa tsy handoa? 15 Fa fantatr'i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy izy taminy: Nahoana hianareo no maka fanahy ahy? Itondray denie iray aho hozahako. 16 Dia nitondrany iray izy ka hoy izy taminy: Sarin'iza, sy anaran'iza io? An'i Sezara, hoy iretsy. 17 Dia hoy Jesoa taminy: Aloavy ho an'i Sezara àry izay an'i Sezara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. Dia nigagan'izy ireo izy. 18 Dia ny Sadoseana izay mandà ny fitsanganan'ny maty kosa indray no nankeo aminy ka nanontany azy hoe:

19 Ry Mpampianatra ô, izao no nosoratan'i Moizy ho antsika: Raha misy lehilahy maty momba ka mbola velona ny vadiny, dia aoka ny rahalahiny no hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso azy. 20 Ary nisy olona fito mirahalahy, ka nanam-bady aloha ny lahimatoa, dia maty momba. 21 Dia nanam-bady an-dravehivavy indray ny faharoa, fa maty momba koa izy; toraka izany koa ny fahatelo. 22 Ary samy nanam-bady azy izy fito, fa maty momba avokoa. Faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy. 23 Koa amin'ny fitsanganan'ny maty, rahefa tafatsangana izy ireo, iza no ho vadin-dravehivavy, fa efa samy nanam-bady azy avokoa izy fito mirahalahy? 24 Ary hoy ny navalin'i Jesoa azy: Moa tsy diso hevitra va hianareo noho ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny fahefan'Andriamanitra? 25 Fa rehefa tafantsangana ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy. 26 Ary raha ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ao amin'ny bokin'i Moizy, amin'ilay misy ny voaroy, izay nolazain'Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama, sy Andriamanitr'Isaaka, ary Andriamanitr'i Jakoba? 27 Tsy Andriamanitry ny maty izy, fa an'ny velona. Koa diso lehibe loatra hianareo. 28 Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nahare izany ady hevitra izany sy nahita ny namalian'i Jesoa azy tsara, ka mba rafitra nanatona azy koa sy nanontany azy hoe: Inona no voalohany amin'ny didy rehetra?

29 Ary Jesoa namaly azy hoe: Ny voalohany indrindra amin'izy rehetra dia ity: Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no hàny Tompo tokana; 30 koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, sy amin'ny sainao rehetra, ary amin'ny herinao rehetra. Izany no didy voalohany. 31 Ary ity no faharoa mitovy aminy ihany koa: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo. 32 Dia hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Tsara izany, ry Mpampianatra, marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy izy, 33 ka ny tia azy amin'ny fo rehetra, sy amin'ny fanahy rehetra, ary amin'ny hery rehetra, ary ny tia namana tahaka ny tena, dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra. 34 Nony hitan'i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra hianao. Ary hatramin'izay dia tsy nisy olona sahy nanontany azy intsony. 35 Ary mbola nampianatra tao anatin'ny tempoly Jesoa, dia niteny nanao hoe: Ahoana no ilazan'ny mpanora-dalàna fa ny Kristy dia zanak'i Davida?

36 Nefa Davida ihany no nampilazain'ny Fanahy Masina hoe: Ny Tompo nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-kavanako hianao mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao. 37 Koa raha antsoin'i Davida ho Tompony izy, ahoana no maha-zanany azy? Ary nihaino azy an-kafaliana ny vahoaka be. 38 Dia izao koa no nolazainy tamin'ny fampianarany: Mahìna amin'ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba, sy ny arahabaina eny an-kianja,

39 ary ny fipetrahana voalohany ao amin'ny fanasana. 40 Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan'ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa. 41 Raha nipetraka tandrifin'ny fandatsahan-drakitra Jesoa, dia nijery ny fandatsaky ny olona tao, ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be.

42 Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy. 43 Dia nantsoin'i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe: Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka indrindra tamin'izay rehetra nandatsaka tao amin'ny fandatsahan-drakitra; 44 satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany, fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0373