Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-12

35 Ary mbola nampianatra tao anatin'ny tempoly Jesoa, dia niteny nanao hoe: Ahoana no ilazan'ny mpanora-dalàna fa ny Kristy dia zanak'i Davida?

36 Nefa Davida ihany no nampilazain'ny Fanahy Masina hoe: Ny Tompo nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-kavanako hianao mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao. 37 Koa raha antsoin'i Davida ho Tompony izy, ahoana no maha-zanany azy? Ary nihaino azy an-kafaliana ny vahoaka be.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1418