Evanjely Masin'i Jeso-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Marka toko 12. 41-44

       41 Raha nipetraka tandrifin'ny fandatsahan-drakitra Jeso, dia nijery ny fandatsaky ny olona tao, ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be. 42 Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy. 43 Dia nantsoin'i Jeso ny mpianany ka nilazany hoe: Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka indrindra tamin'izay rehetra nandatsaka tao amin'ny fandatsahan-drakitra; 44 satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany, fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany.