Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-12

41 Raha nipetraka tandrifin'ny fandatsahan-drakitra Jesoa, dia nijery ny fandatsaky ny olona tao, ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be.

42 Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy. 43 Dia nantsoin'i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe: Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka indrindra tamin'izay rehetra nandatsaka tao amin'ny fandatsahan-drakitra; 44 satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany, fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1222