Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-12

1 Ary niteny tamin'izy ireo tamin'ny fanoharana izy nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray namboly voaloboka, ka namefy azy manodidina, nandavaka tany hanaovana famiazana, nanorina tilikambo tao, ary nampanofa azy tamin'ny mpamboly voaloboka, dia lasa nankany an-tany hafa.

2 Nony tonga ny fotoana, dia naniraka ankizilahy anankiray ho any amin'ny mpamboly izy mba handray vokatry ny tanim-boaloboka: 3 fa nosamborin'izy ireo ilay mpanompo, ka sady nokapohiny no nampodiny maina. 4 Dia naniraka ankizilahy anankiray hafa ho any aminy indray izy, fa io koa dia sady noratrainy ny lohany no nalany baràka. 5 Ary naniraka ankizilahy anankiray hafa koa izy, fa novonoiny; ary nisy maro hafa koa, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny. 6 Dia ny zanany lahy tokana malalany indrindra no sisa tao aminy, ka io no nirahiny tamin'ny farany, fa hoy izy: Hanaja ny zanako izy. 7 Kanjo ireto mpiasa nifampilaza hoe: Inty ny mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lova. 8 Dia nosamboriny izy ka novonoiny, ary natsipiny any ivelan'ny tanim-boaloboka. 9 Inona àry no hataon'ny tompon'ny tanim-boaloboka amin'izany? Ho avy izy, ka ny mpiasa haringany, ary ny tanim-boalobony hafindrany amin'ny hafa. 10 Moa tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin'ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian'ny mpanao trano no tonga vato fehizoro; 11 avy tamin'Andriamanitra izao ka mahagaga eo imasontsika? 12 Ary nitady hisambotra azy izy ireo, satria fantany fa izy ihany no lazainy amin'izany fanoharana izany, saingy natahotra ny vahoaka izy; koa nandao azy, dia lasa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0783