Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-12

13 Tamin'izay dia naniraka ny sasany tamin'ny Farisiana sy Herodiana izy ireo mba hamandrika azy amin'ny teniny,

14 ka nony tonga ireo dia nanao taminy hoe: Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina hianao ka tsy mampaninona anao ny olona, satria tsy mba mizaha tavan'olona hianao, fa mampianatra ny làlan'Andriamanitra araka ny marina. Moa mety va sa tsia ny mandoa hetra ho an'i Sezara: handoa izahay sa tsy handoa? 15 Fa fantatr'i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy izy taminy: Nahoana hianareo no maka fanahy ahy? Itondray denie iray aho hozahako. 16 Dia nitondrany iray izy ka hoy izy taminy: Sarin'iza, sy anaran'iza io? An'i Sezara, hoy iretsy. 17 Dia hoy Jesoa taminy: Aloavy ho an'i Sezara àry izay an'i Sezara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. Dia nigagan'izy ireo izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0907