Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-12

18 Dia ny Sadoseana izay mandà ny fitsanganan'ny maty kosa indray no nankeo aminy ka nanontany azy hoe:

19 Ry Mpampianatra ô, izao no nosoratan'i Moizy ho antsika: Raha misy lehilahy maty momba ka mbola velona ny vadiny, dia aoka ny rahalahiny no hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso azy. 20 Ary nisy olona fito mirahalahy, ka nanam-bady aloha ny lahimatoa, dia maty momba. 21 Dia nanam-bady an-dravehivavy indray ny faharoa, fa maty momba koa izy; toraka izany koa ny fahatelo. 22 Ary samy nanam-bady azy izy fito, fa maty momba avokoa. Faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy. 23 Koa amin'ny fitsanganan'ny maty, rahefa tafatsangana izy ireo, iza no ho vadin-dravehivavy, fa efa samy nanam-bady azy avokoa izy fito mirahalahy? 24 Ary hoy ny navalin'i Jesoa azy: Moa tsy diso hevitra va hianareo noho ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny fahefan'Andriamanitra? 25 Fa rehefa tafantsangana ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy. 26 Ary raha ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ao amin'ny bokin'i Moizy, amin'ilay misy ny voaroy, izay nolazain'Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama, sy Andriamanitr'Isaaka, ary Andriamanitr'i Jakoba? 27 Tsy Andriamanitry ny maty izy, fa an'ny velona. Koa diso lehibe loatra hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0645