Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-12

28 Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nahare izany ady hevitra izany sy nahita ny namalian'i Jesoa azy tsara, ka mba rafitra nanatona azy koa sy nanontany azy hoe: Inona no voalohany amin'ny didy rehetra?

29 Ary Jesoa namaly azy hoe: Ny voalohany indrindra amin'izy rehetra dia ity: Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no hàny Tompo tokana; 30 koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, sy amin'ny sainao rehetra, ary amin'ny herinao rehetra. Izany no didy voalohany. 31 Ary ity no faharoa mitovy aminy ihany koa: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo. 32 Dia hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Tsara izany, ry Mpampianatra, marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy izy, 33 ka ny tia azy amin'ny fo rehetra, sy amin'ny fanahy rehetra, ary amin'ny hery rehetra, ary ny tia namana tahaka ny tena, dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra. 34 Nony hitan'i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra hianao. Ary hatramin'izay dia tsy nisy olona sahy nanontany azy intsony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.103