Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Marka toko 12, 38-44,

       <38Dia izao koa no nolazainy tamin'ny fampianarany: Mahìna amin'ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba, sy ny arahabaina eny an-kianja, 39ary ny fipetrahana voalohany ao amin'ny fanasana. 40Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan'ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa.
       41Raha nipetraka tandrifin'ny fandatsahan-drakitra Jesoa, dia nijery ny fandatsaky ny olona tao, ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be. 42Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy. 43Dia nantsoin'i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe: Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka indrindra tamin'izay rehetra nandatsaka tao amin'ny fandatsahan-drakitra; 44satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany, fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany. >