Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-13

1 Nony nivoaka avy ao amin'ny tempoly izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Ry Mpampianatra ô, jereo ange, endrey ireto vato sy izato rafitra!

2 Ary hoy ny navalin'i Jesoa azy: Hitanao va ireo rafitra lehibe ireo? Tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana. 3 Ary nony nipetraka teo amin'ny tendrombohitra Oliva tandrifin'ny tempoly izy, dia nanontany azy manokana Piera, sy Jakoba, sy Joany, ary Andre nanao hoe: 4 Lazao aminay rahoviana no ho tonga izany, ary inona no ho famantarana hahalalana fa efa ho tanteraka izany rehetra izany? 5 Ary izao no navalin'i Jesoa azy: Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo; 6 fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no izy; ary maro no ho voafitany. 7 Ary raha mandre ady sy honohono hoe: hiady, hianareo, dia aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany, nefa tsy mbola izany no farany. 8 Fa hisy firenena hitsangana hiady amin'ny firenena, sy fanjakana hiady amin'ny fanjakana, ary hisy horohoron-tany amin'ny tany samihafa, sady hisy mosary. Izany no ho fiandohan'ny fahoriana. 9 Tandremo koa ny amin'ny tenanareo, fa hotorina amin'ny mpitsara hianareo, sy hokapohina ao amin'ny sinagoga, ary hoentina eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy. 10 Kanefa tsy maintsy hotorìna amin'ny firenena rehetra aloha ny Evanjely. 11 Ary rahefa entina hanatrika ny mpitsara hianareo, dia aza heverina mialoha izay holazainareo; fa izay hevitra homena anareo no lazao, satria tsy hianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina. 12 Amin'izany, ny rahalahy dia hanolotra ny rahalahiny hovonoina, ny ray hanolotra ny zanany lahy, ny zanaka hikomy amin-drainy aman-dreniny ka hamono azy; 13 ary ho halan'ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay haharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy. 14 Ary raha hitanareo eo amin'izay tsy tokony hisy azy ny fahavetavetan'ny fandravana (aoka hahafantatra izay mamaky ity), dia aoka izay any Jodea handositra any an-tendrombohitra;

15 aoka izay any ambony tafon-trano, tsy hidina ao an-tranony, na hiditra haka zavatra ao, 16 ary aoka izay any an-tsaha, tsy hiverina haka ny fitafiany. 17 Loza ho an'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany! 18 Mivavaha mba tsy ho amin'ny ririnina izany, 19 fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatramin'ny naharian'Andriamanitra ny zavatra rehetra ka mandraka ankehitriny, ary tsy hisy toy izany intsony. 20 Ary raha tsy nohafohezin'ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy olona ho voavonjy; fa nohafoheziny izany noho ny olom-pinidy izay nofidiny. 21 Amin'izany, raha misy milaza aminareo hoe: Indry ato ny Kristy, na indro ary izy, aza mino hianareo; 22 fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho ary hanao famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-pinidy aza, raha azo atao izany. 23 Koa mintandrema hianareo, fa efa voalazako anareo rahateo izao ny zavatra rehetra. 24 Fa amin'izany andro izany, rahefa afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony,

25 ny kintana any an-danitra hiraraka, ary ny herin'ny lanitra hihozongozona. 26 Dia ho hita amin'izay ny Zanak'olona avy eo ambonin'ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra. 27 Amin'izay izy dia haniraka ny anjely ary hanangona ny olom-pinidy avy amin'ny vazan-tany efatra, hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra. 28 Alaovy ho fanoharana ny aviavy. Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra. 29 Toy izany koa, rahefa hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana izy. 30 Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany. 31 Ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona. 32 Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka koa aza, afa-tsy ny Ray ihany. 33 Mitandrema, miambena, ary mivavaha, fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana: 34 tahaka ny lehilahy iray nandeha hivahiny, ka nandao ny tranony, ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanolo-draharaha hataony avy, dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina. 35 Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay hahatongavan'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho misasak'alina, na ho maneno akoho, na ho maraina, 36 fandrao tonga tampoka izy ka tratrany matory hianareo. 37 Ary izao lazaiko aminareo izao, dia lazaiko amin'ny olona rehetra koa: Miambena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1785