Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-13

24 Fa amin'izany andro izany, rahefa afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony,

25 ny kintana any an-danitra hiraraka, ary ny herin'ny lanitra hihozongozona. 26 Dia ho hita amin'izay ny Zanak'olona avy eo ambonin'ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra. 27 Amin'izay izy dia haniraka ny anjely ary hanangona ny olom-pinidy avy amin'ny vazan-tany efatra, hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra. 28 Alaovy ho fanoharana ny aviavy. Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra. 29 Toy izany koa, rahefa hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana izy. 30 Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany. 31 Ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona. 32 Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka koa aza, afa-tsy ny Ray ihany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3408