Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-13

33 Mitandrema, miambena, ary mivavaha, fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana: 34 tahaka ny lehilahy iray nandeha hivahiny, ka nandao ny tranony, ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanolo-draharaha hataony avy, dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina. 35 Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay hahatongavan'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho misasak'alina, na ho maneno akoho, na ho maraina, 36 fandrao tonga tampoka izy ka tratrany matory hianareo. 37 Ary izao lazaiko aminareo izao, dia lazaiko amin'ny olona rehetra koa: Miambena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1088