Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-14

1 Rahefa indroa andro sisa ny Paka sy ny Azima, dia nitady hisambotra am-pitaka an'i Jesoa ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalana mba hamonoany azy;

2 nefa, hoy izy, tsy tokony ho amin'ny andro fety fandrao mitabataba ny vahoaka. 3 Ary nony tany Betania tao an-tranon'i Simona boka izy, dia nisy vehivavy anankiray niditra raha mbola nipetraka nihinana izy. Nitondra tavoara alabastra feno diloilo manitra sarobidy natao tamin'ny salohin'ny narda ravehivavy, ary novakiny ny tavoara, dia naidiny tamin'ny lohan'i Jesoa ny menaka. 4 Maro tamin'izay teo no tezitra ka nifampilaza hoe: Nahoana re no lanina foana toy izao ity zava-manitra? 5 Denie telon-jato mahery iny raha namidy ka homena ny mahantra. Dia nimonomonona tamin-dravehivavy izy ireo. 6 Fa hoy Jesoa taminy: Avelao izy; nahoana hianareo no manao ny mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko, 7 fa ny mahantra dia misy eto aminareo mandrakariva, ka azonareo asian-tsoa araka izay tianareo, fa izaho kosa tsy ho eto aminareo mandrakariva; 8 nanao izay azony natao izy; nohosorany rahateo ny tenako ho fandevenana ahy. 9 Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza hitoriana ity Evanjely ity amin'izao tontolo izao, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao ho fankalazana azy. 10 Ary Jodasy Iskariota, ilay isan'izy roa ambin'ny folo lahy, dia nankany amin'ny lohandohan'ny mpisorona mba hanolotra azy.

11 Faly ireo nony nandre izany, ka nanaiky hanome vola azy. Ary Jodasy dia nitady izay fotoana mety hamadihany azy. 12 Ary tamin'ny andro voalohan'ny Azima izay famonoana ny Paka, dia nilaza tamin'i Jesoa ny mpianany nanao hoe: Aiza no tianao halehanay hamboaranay ny hihinananao ny Paka?

13 Dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany izy ka nilazany hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hifanena amin'ny lehilahy iray mitondra siny feno rano hianareo, ka manaraha azy. 14 Dia lazao amin'ny tompon'ny trano izay hidirany hoe: Izao no asain'ny Mpampianatra lazaina aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka amin'ny mpianatro? 15 Dia hotoroany efi-trano malalaka voavoatra tsara hianareo ka ao no anamboary ho antsika. 16 Dia nandeha ny mpianany ka tonga tany an-tanàna, ary nahita araka izay nolazainy taminy sy nanamboatra ny Paka. 17 Nony hariva ny andro, dia tonga izy sy ny roa ambin'ny folo lahy.

18 Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy Jesoa: Lazaiko marina aminareo fa hamadika ahy ny anankiray aminareo izay miara-mihinana amiko. 19 Dia nalahelo izy ireo, ka samy nanontany azy tsirairay hoe: Izaho va izany? 20 Ary hoy izy taminy: Ny anankiray aminareo roa ambin'ny folo lahy izay miara-mandray amiko amin'ny tànany ao an-dovia. 21 Ny Zanak'olona dia mandeha araka ny nanoratana azy; nefa loza ho an'izay hamadika azy! Tsara ho an'izany lehilahy izany ny tsy teraka. 22 Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesoa, ka nony efa notsofiny rano sy novakiny dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe: Raiso, ity no vatako. 23 Rahefa izany dia nandray ny kalisy izy, ka nony efa nisaotra, dia nomeny azy izany sy nisotroan'izy rehetra. 24 Ary nolazainy taminy hoe: Ity no rako, dia ny ran'ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an'ny maro. 25 Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony aho mandra-pihavin'ny andro hisotroako izay vaovao any amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 26 Nony efa nanao hira fiderana izy ireo, dia nankany amin'ny tendrombohitra Oliva.

27 Ary hoy Jesoa taminy: Ho tafintohina noho ny amiko hianareo rehetra anio alina; fa efa voasoratra hoe: Hokapohina ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry; 28 fa rahefa tafatsangana indray aho, dia hialoha anareo any Galilea. 29 Dia hoy Piera taminy: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza izy rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina na oviana na oviana. 30 Ary hoy Jesoa taminy: Lazaiko marina aminao fa anio alina ihany, raha mbola tsy haneno fanindroany akory ny akoho, dia handà ahy intelo hianao. 31 Fa vao mainka niteny mafimafy kokoa izy nanao hoe: Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handà anao. Ary nilaza toy izany koa izy rehetra. 32 Ary tonga tany amin'ny saha atao hoe Getsemany izy ireo, dia hoy izy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto hianareo mandra-pivavako.

33 Ary nentiny hiaraka aminy Piera sy Jakoba ary Joany, dia nihoron-koditra sy ory indrindra izy. 34 Ary hoy izy taminy: Ory ny fanahiko ka ila hahafaty ahy; mijanòna eto hianareo, ary miareta tory. 35 Dia nandroso kely izy, ka niankohoka tamin'ny tany, ary nivavaka mba ho afaka amin'izany ora izany, raha azo atao, 36 nanao hoe: Aba, Raiko, azonao atao ny zavatra rehetra, ka aoka tsy hikasika ahy ity kapoaka ity, kanefa aoka tsy ny sitra-poko no ho tanteraka, fa ny anao. 37 Dia nankeo amin'ny mpianany izy, ka nahita azy natory, ary nilaza tamin'i Piera hoe: Ry Simona, matory va hianao? Tsy nahari-tory ora iray akory va hianao? 38 Miambena hianareo, ary mivavaha, mba tsy ho latsaka amin'ny fakam-panahy. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa. 39 Dia lasa indray izy nivavaka, ka ilay teny teo ihany no nataony. 40 Nony niverina indray izy, dia nahita azy natory fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitan'izy ireo izay havaly azy. 41 Ary niverina fanintelony izy, ka nanao taminy hoe: Matoria amin'izao hianareo, ary mialà sasatra. - Aoka izay; tonga ny fotoana: indro hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ny Zanak'olona. 42 Mitsangàna hianareo, andeha isika: indro efa akaiky ilay hamadika ahy. 43 Niaraka tamin'izay raha mbola niteny izy, dia tamy Jodasy Iskariota isan'izy roa ambin'ny folo lahy, mbamin'ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.

44 Izy ireo dia efa nomen'ilay mpamadika azy famantarana toy izao: Izay horohako no izy, ka sambory, ary ento tsy amim-pisalasalana. 45 Vantany vao tonga izy dia nanatona an'i Jesoa ka nanao heo: Arahaba, Raby, dia nanoroka azy izy. 46 Ary nosamborin'ireo izy, dia nohazoniny. 47 Fa ny anankiray amin'izay teo aminy nanatsoaka sabatra, dia namely ny mpanompon'ny lehiben'ny mpisorona, ka nahafaka ny sofiny an'ila. 48 Ary niteny Jesoa ka nanao tamin'izy ireo hoe: Mova tsy ny hisambotra jiolahy no fihavinareo nitondra sabatra sy langilangy hisambotra ahy! 49 Teo aminareo isan'andro aho, nampianatra teo amin'ny tempoly, kanefa tsy nosamborinareo, fa izany no ahatanterahan'ny Soratra Masina. 50 Dia nandao azy ny mpianany rehetra fa lasa nandositra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0379