Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-14

12 Ary tamin'ny andro voalohan'ny Azima izay famonoana ny Paka, dia nilaza tamin'i Jesoa ny mpianany nanao hoe: Aiza no tianao halehanay hamboaranay ny hihinananao ny Paka?

13 Dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany izy ka nilazany hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hifanena amin'ny lehilahy iray mitondra siny feno rano hianareo, ka manaraha azy. 14 Dia lazao amin'ny tompon'ny trano izay hidirany hoe: Izao no asain'ny Mpampianatra lazaina aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka amin'ny mpianatro? 15 Dia hotoroany efi-trano malalaka voavoatra tsara hianareo ka ao no anamboary ho antsika. 16 Dia nandeha ny mpianany ka tonga tany an-tanàna, ary nahita araka izay nolazainy taminy sy nanamboatra ny Paka. 17 Nony hariva ny andro, dia tonga izy sy ny roa ambin'ny folo lahy.

18 Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy Jesoa: Lazaiko marina aminareo fa hamadika ahy ny anankiray aminareo izay miara-mihinana amiko. 19 Dia nalahelo izy ireo, ka samy nanontany azy tsirairay hoe: Izaho va izany? 20 Ary hoy izy taminy: Ny anankiray aminareo roa ambin'ny folo lahy izay miara-mandray amiko amin'ny tànany ao an-dovia. 21 Ny Zanak'olona dia mandeha araka ny nanoratana azy; nefa loza ho an'izay hamadika azy! Tsara ho an'izany lehilahy izany ny tsy teraka. 22 Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesoa, ka nony efa notsofiny rano sy novakiny dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe: Raiso, ity no vatako. 23 Rahefa izany dia nandray ny kalisy izy, ka nony efa nisaotra, dia nomeny azy izany sy nisotroan'izy rehetra. 24 Ary nolazainy taminy hoe: Ity no rako, dia ny ran'ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an'ny maro. 25 Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony aho mandra-pihavin'ny andro hisotroako izay vaovao any amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 26 Nony efa nanao hira fiderana izy ireo, dia nankany amin'ny tendrombohitra Oliva.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1362