Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-14

66 Ary raha mbola teo ambany amin'ny tokotany Piera, dia nankeo aminy ny anankiray tamin'ny ankizivavin'ny lehiben'ny mpisorona.

67 Nony nahita an'i Piera namindro izy, dia nijery azy, ka nanao taminy hoe: Hianao koa naman'i Jesoa Nazareana. 68 Fa nolaviny hoe: Tsy fantatro, ary tsy azoko akory izay lazainao. Dia nivoaka nankany alatrano izy ary naneno ny akoho. 69 Fa nahita azy indray ilay ankizivavy, ka nilaza tamin'izay teo hoe: Naman'ireny koa io lehilahy io; 70 fa nandà indray izy. Nony afaka kelikely, dia hoy indray ny olona teo tamin'i Piera: Naman'ireny tokoa hianao, fa Galileana koa. 71 Tamin'izay sady niozona izy no nianiana hoe: Tsy fantatro akory izany lehilahy antsoinareo izany. 72 Niaraka tamin'izay dia naneno fanindroany ny akoho. Ary tsaroan'i Piera ilay teny nolazain'i Jesoa taminy hoe: Tsy mbola haneno fanindroany akory ny akoho, dia handà ahy intelo hianao; ka dia nitomany izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1348