Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-16

1 Ary rahefa afaka ny sabata, dia nividy zava-manitra Maria Madelena, sy Maria renin'i Jakoba, ary Salome, mba handeha hanosotra ny vatan'i Jesoa.

2 Nony marainakoan'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nandeha izy, ka tonga teo amin'ny fasana, ilay vao miposaka iny ny masoandro. 3 Ary izy nifampilaza hoe: Iza re no hasaintsika manakodia ny vato amin'ny varavaram-pasana e? 4 Kanjo nony nitraka izy, dia tazany ny vato, fa lehibe dia lehibe, ka indro efa voakodia izy. 5 Nony niditra tao am-pasana izy, dia nahita tovolahy iray niakanjo fotsy nipetraka teo an-kavanam-pasana, ka taitra. 6 Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza matahotra hianareo; mitady an'i Jesoa Nazareana ilay nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana hianareo; efa nitsangana tamin'ny maty izy, ka tsy eto; teo no nametrahany azy. 7 Fa mandehana lazao amin'ny mpianany sy amin'i Piera fa hialoha anareo any Galilea izy, ka any no hahitanareo azy araka ny efa voalazany taminareo. 8 Dia nivoaka ny fasana izy ireo ka nandositra, fa sady tora-kovitra no raiki-tahotra, ary tsy nilaza na inona na inona tamin'ny olona izy noho ny tahony. 9 Rahefa nitsangana tamin'ny maty Jesoa, ny marainakoan'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia Maria Madelena, ilay namoahany demony fito, no nisehoany voalohany.

10 Ka lasa io nilaza izany tamin'ireo mpanaraka azy, izay mbola nalahelo sy nitomany. 11 Nefa nony nandre izy ireo fa hoe velona indray izy ka efa hitan-dravehivavy, dia tsy nino izany izy. 12 Manaraka izany, Jesoa dia niseho tamin'ny endrika hafa tamin'ny roalahy amin'izy ireo, izay nankany an-tsaha.

13 Dia lasa ireo nilaza tamin'ny namany; fa tsy ninoany koa. 14 Tamin'ny farany dia ny tenan'izy iraika ambin'ny folo lahy no nisehoany teo am-pihinanana indrindra, ka nomeny tsiny noho ny tsy finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy nino izay nahita azy tafantsangana tamin'ny maty izy ireo. 15 Ary hoy izy taminy: Mandehana hianareo amin'izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin'ny voary rehetra. 16 Izay hino ka hatao batemy dia ho voavonjy; fa izay tsy hino dia hohelohina. 17 Ary izao no famantarana homba izay mino: Handroaka demony amin'ny anarako izy, hiteny amin'ny fiteny tsy mbola hainy izy, 18 handray menarana izy, ary na misotro zava-mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tànana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny. 19 Ary rahefa niteny tamin'izy ireo Jesoa Tompo, dia nakarina any an-danitra, ka mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra.

20 Ary izy ireo kosa dia lasa nitory hatraiza hatraiza, ka sady niara-niasa taminy ny Tompo no nankatò ny fampianarany tamin'ny fahagagana nomba azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2162