Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Toko faha-16
15
Ary hoy izy taminy: Mandehana hianareo amin'izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin'ny voary rehetra.
16
Izay hino ka hatao batemy dia ho voavonjy; fa izay tsy hino dia hohelohina.
17
Ary izao no famantarana homba izay mino: Handroaka demony amin'ny anarako izy, hiteny amin'ny fiteny tsy mbola hainy izy,
18
handray menarana izy, ary na misotro zava-mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tànana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny.
©
Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 -
2025 - page load 0.0746