Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-16

15 Ary hoy izy taminy: Mandehana hianareo amin'izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin'ny voary rehetra. 16 Izay hino ka hatao batemy dia ho voavonjy; fa izay tsy hino dia hohelohina. 17 Ary izao no famantarana homba izay mino: Handroaka demony amin'ny anarako izy, hiteny amin'ny fiteny tsy mbola hainy izy, 18 handray menarana izy, ary na misotro zava-mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tànana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny. 19 Ary rahefa niteny tamin'izy ireo Jesoa Tompo, dia nakarina any an-danitra, ka mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra.

20 Ary izy ireo kosa dia lasa nitory hatraiza hatraiza, ka sady niara-niasa taminy ny Tompo no nankatò ny fampianarany tamin'ny fahagagana nomba azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1112