Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-16

9 Rahefa nitsangana tamin'ny maty Jesoa, ny marainakoan'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia Maria Madelena, ilay namoahany demony fito, no nisehoany voalohany.

10 Ka lasa io nilaza izany tamin'ireo mpanaraka azy, izay mbola nalahelo sy nitomany. 11 Nefa nony nandre izy ireo fa hoe velona indray izy ka efa hitan-dravehivavy, dia tsy nino izany izy. 12 Manaraka izany, Jesoa dia niseho tamin'ny endrika hafa tamin'ny roalahy amin'izy ireo, izay nankany an-tsaha.

13 Dia lasa ireo nilaza tamin'ny namany; fa tsy ninoany koa. 14 Tamin'ny farany dia ny tenan'izy iraika ambin'ny folo lahy no nisehoany teo am-pihinanana indrindra, ka nomeny tsiny noho ny tsy finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy nino izay nahita azy tafantsangana tamin'ny maty izy ireo. 15 Ary hoy izy taminy: Mandehana hianareo amin'izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin'ny voary rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0693