Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-16

1 Ary rahefa afaka ny sabata, dia nividy zava-manitra Maria Madelena, sy Maria renin'i Jakoba, ary Salome, mba handeha hanosotra ny vatan'i Jesoa.

2 Nony marainakoan'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nandeha izy, ka tonga teo amin'ny fasana, ilay vao miposaka iny ny masoandro. 3 Ary izy nifampilaza hoe: Iza re no hasaintsika manakodia ny vato amin'ny varavaram-pasana e? 4 Kanjo nony nitraka izy, dia tazany ny vato, fa lehibe dia lehibe, ka indro efa voakodia izy. 5 Nony niditra tao am-pasana izy, dia nahita tovolahy iray niakanjo fotsy nipetraka teo an-kavanam-pasana, ka taitra. 6 Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza matahotra hianareo; mitady an'i Jesoa Nazareana ilay nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana hianareo; efa nitsangana tamin'ny maty izy, ka tsy eto; teo no nametrahany azy. 7 Fa mandehana lazao amin'ny mpianany sy amin'i Piera fa hialoha anareo any Galilea izy, ka any no hahitanareo azy araka ny efa voalazany taminareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1468