Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko voalohany

14 Ary rahefa natao an-tranomaizina Joany, dia nankany Galilea Jesoa nitory ny Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra

15 ka nanao hoe: Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha hianareo ary minoa ny Evanjely. 16 Nony nandalo teny amoron'ny ranomasin'i Galilea izy, dia nahita an'i Simona sy Andre rahalahiny nanarato teo amin'ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. 17 Ary hoy Jesoa taminy: Andeha hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo. 18 Dia nandao ny haratony niaraka tamin'izay izy, ka nanaraka azy. 19 Nony nandeha kelikely izy, dia nahita an'i Jakoba zanak'i Zebede sy Joany rahalahiny, izay teo an-tsambo kely koa nanamboatra ny haratony. 20 Dia niantso azy niaraka tamin'izay izy, ka nilaozan'izy mirahalahy teo an-tsambo keliny Zebede rainy sy ny mpikaramany, fa lasa nanaraka an'i Jesoa izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1723