Evanjely Masin'i Jeso-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Marka toko 1. 21-28,

       21 Ary nankany Kafarnaoma izy ireo, ka ny sabata voalohany ihany dia niditra tao amin'ny sinagoga izy sy nampianatra ny olona. 22 Dia gaga izy ireo tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy toy ny manana fahefana izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. 23 Ary tao amin'ny sinagogany dia nisy lehilahy anankiray azon'ny fanahy maloto, ary niantso mafy izy 24 nanao hoe: Mifampaninona izahay sy hianao ry Jeso avy any Nazareta? Tonga hampahita loza anay va hianao? Fantatro raha hianao, dia ilay masin'Andriamanitra. 25 Fa nandrahona azy Jeso nanao hoe: Mangina, ary mivoaha amin'io lehilahy io. 26 Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy, dia niantso tamin'ny feo mahery ka nivoaka taminy. 27 Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe: Inona ity? Fampianarana vaovao inona re ity? fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky azy. 28 Dia niely eran'i Galilea rehetra ny lazany.