Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko voalohany

29 Raha vao nivoaka avy tao amin'ny sinagoga izy ireo, dia nankany an-tranon'i Simona sy Andre izy sy Jakoba ary Joany.

30 Ary ny rafozam-bavin'i Simona nandry teo am-pandriana fa nanavy, ka noresahin'izy ireo taminy niaraka tamin'izay. 31 Dia nanatona nandray ny tànany Jesoa sy nanarina azy, dia afaka ny tazony ka nanompo azy izy. 32 Nony hariva efa maty masoandro, dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon'ny demony, 33 ary ny tao an-tanàna rehetra nitangorona teo am-baravarana avokoa. 34 Dia nanasitrana olona maro nararin'ny aretina samihafa izy, sady nandroaka demony maro, fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahafantatra azy. 35 Nony ampitso nifoha maraina alina koa izy, dia nivoaka nankany amin'ny tany mangingina, ka nivavaka tany.

36 Dia lasa nitady azy Simona sy ny namany, 37 ka nony nahita azy dia nilaza taminy hoe: Tadiavin'ny olona rehetra hianao. 38 Fa izao no navaliny: Andeha isika hankany amin'ny tanàna akaiky, mba hitoriako any koa; fa izany no nivoahako. 39 Dia lasa izy nitory tamin'ny sinagogan'ny olona sy eran'i Galilea rehetra, sady nandroaka ny demony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.125