Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-2

1 Andro vitsivitsy taorian'izany, dia niditra tao Kafarnaoma indray izy.

2 Nony re fa hoe tao an-trano izy, dia nivory betsaka dia betsaka ny olona, ka tsy nisy hitoerana intsony na dia hatrany anoloan'ny varavarana aza; dia nitory teny taminy izy. 3 Tamin'izay dia nisy nanatona azy nitondra lehilahy malemy anankiray, izay nolanjain'olona efa-dahy. 4 Tsy afa-nanatona azy anefa izy ireo noho ny habetsahan'ny vahoaka, ka dia ny tafon-trano nitoerany no nanesorany; nony voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana nandrian'ilay malemy. 5 Ary Jesoa nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay malemy hoe: Anaka, voavela ny helokao. 6 Fa nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nanao anakampo hoe: 7 Ahoana no itenenan'ilay ity toy izany? Miteny ratsy an'Andriamanitra lahy izy. Iza no mahavela fahotana afa-tsy Andriamanitra irery ihany? 8 Fantatr'i Jesoa tao amin'ny fanahiny niaraka tamin'izay fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo ka hoy izy taminy: Nahoana hianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo? 9 Inona no moramora kokoa, ny manao amin'ity malemy hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ary mandehàna? 10 Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manam-pahefana etý an-tany hanafaka ny fahotana, dia izao no lazaiko aminao, hoy izy tamin'ilay malemy: 11 Mitsangàna, betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao. 12 Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy ka nambeta ny fandriany, ary lasa nody teo imason'ny olona rehetra; any ka talanjona izy rehetra sady nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita tahaka izany izahay. 13 Ary nivoaka ho any amoron-dranomasina indray izy ka nanatona azy ny vahoaka rehetra, dia nampianatra azy izy.

14 Raha nandalo izy, dia nahita an'i Levì zanak'i Alfe nipetraka tao amin'ny fandraisana hetra, ka nanao taminy hoe: Andeha hanaraka ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka azy. 15 Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranon-dralehilahy io Jesoa, dia nisy poblikàna sy mpanota maro niara-nihinana tamin'izy ireo sy ny mpianany; fa maro ireo, ary nanaraka azy. 16 Nony nahita azy niara-nihinana tamin'ny poblikàna sy ny mpanota ny mpanora-dalàna mbamin'ny Farisiana dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: Nahoana ny Mpampianatrareo no miara-mihinana sy misotro amin'ny poblikàna sy ny mpanota? 17 Raha nahare izany Jesoa dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota. 18 Ary fanaon'ny mpianatr'i Joany sy ny Farisiana ny mifady hanina, ka nisy nanatona nanao taminy hoe: Nahoana ny mpianatr'i Joany sy ny an'ny Farisiana no mifady hanina, nefa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?

19 Ary hoy Jesoa taminy: Moa mahazo mifady ny naman'ny mpampakatra raha mbola ao aminy ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy koa ny mpampakatra, dia tsy mahazo mifady izy; 20 fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin'izany andro izany vao hifady izy. 21 Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin'ny tapa-damba vaovao; fa raha izany dia handrovitra ny tonta ny vaovao ka hitatra ny triatra. 22 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao amin'ny siny hoditra tonta; fa raha izany dia ho triatry ny divay ny siny hoditra, ka ho very foana ny divay mbamin'ny siny hoditra; fa raha divay vaovao dia aoka ho ao anaty siny hoditra vaovao koa. 23 Indray sabata raha nandeha namaky ny tanimbary Jesoa, dia nioty salohim-bary teny am-pandehanana ny mpianany,

24 ka hoy ny Farisiana taminy: Jereo ange e, nahoana izy ireo no manao ny tsy fanao amin'ny sabata? 25 Fa hoy izy taminy: Moa tsy novakinareo va izay nataon'i Davida raha terin'ny hanoanana izy sy izay nanaraka azy? 26 Fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra izy tamin'ny andron'i Abiatara lehiben'ny mpisorona, ka nihinana ny mofo alahatra izay tsy misy mahazo mihinana afa-tsy ny mpisorona ihany, sady nomeny mbamin'ny mpanaraka azy koa. 27 Dia hoy koa izy taminy: Ny sabata no natao ho an'ny olona, fa tsy ny olona no ho an'ny sabata. 28 Koa ny Zanak'olona dia tompon'ny sabata aza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1189