Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Toko faha-2
18 Ary fanaon'ny mpianatr'i Joany sy ny Farisiana ny mifady hanina, ka nisy nanatona nanao taminy hoe: Nahoana ny mpianatr'i Joany sy ny an'ny Farisiana no mifady hanina, nefa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?19 Ary hoy Jesoa taminy: Moa mahazo mifady ny naman'ny mpampakatra raha mbola ao aminy ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy koa ny mpampakatra, dia tsy mahazo mifady izy; 20 fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin'izany andro izany vao hifady izy. 21 Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin'ny tapa-damba vaovao; fa raha izany dia handrovitra ny tonta ny vaovao ka hitatra ny triatra. 22 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao amin'ny siny hoditra tonta; fa raha izany dia ho triatry ny divay ny siny hoditra, ka ho very foana ny divay mbamin'ny siny hoditra; fa raha divay vaovao dia aoka ho ao anaty siny hoditra vaovao koa.