Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-2

1 Andro vitsivitsy taorian'izany, dia niditra tao Kafarnaoma indray izy.

2 Nony re fa hoe tao an-trano izy, dia nivory betsaka dia betsaka ny olona, ka tsy nisy hitoerana intsony na dia hatrany anoloan'ny varavarana aza; dia nitory teny taminy izy. 3 Tamin'izay dia nisy nanatona azy nitondra lehilahy malemy anankiray, izay nolanjain'olona efa-dahy. 4 Tsy afa-nanatona azy anefa izy ireo noho ny habetsahan'ny vahoaka, ka dia ny tafon-trano nitoerany no nanesorany; nony voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana nandrian'ilay malemy. 5 Ary Jesoa nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay malemy hoe: Anaka, voavela ny helokao. 6 Fa nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nanao anakampo hoe: 7 Ahoana no itenenan'ilay ity toy izany? Miteny ratsy an'Andriamanitra lahy izy. Iza no mahavela fahotana afa-tsy Andriamanitra irery ihany? 8 Fantatr'i Jesoa tao amin'ny fanahiny niaraka tamin'izay fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo ka hoy izy taminy: Nahoana hianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo? 9 Inona no moramora kokoa, ny manao amin'ity malemy hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ary mandehàna? 10 Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manam-pahefana etý an-tany hanafaka ny fahotana, dia izao no lazaiko aminao, hoy izy tamin'ilay malemy: 11 Mitsangàna, betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao. 12 Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy ka nambeta ny fandriany, ary lasa nody teo imason'ny olona rehetra; any ka talanjona izy rehetra sady nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita tahaka izany izahay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1417