Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-2

13 Ary nivoaka ho any amoron-dranomasina indray izy ka nanatona azy ny vahoaka rehetra, dia nampianatra azy izy.

14 Raha nandalo izy, dia nahita an'i Levì zanak'i Alfe nipetraka tao amin'ny fandraisana hetra, ka nanao taminy hoe: Andeha hanaraka ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka azy. 15 Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranon-dralehilahy io Jesoa, dia nisy poblikàna sy mpanota maro niara-nihinana tamin'izy ireo sy ny mpianany; fa maro ireo, ary nanaraka azy. 16 Nony nahita azy niara-nihinana tamin'ny poblikàna sy ny mpanota ny mpanora-dalàna mbamin'ny Farisiana dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: Nahoana ny Mpampianatrareo no miara-mihinana sy misotro amin'ny poblikàna sy ny mpanota? 17 Raha nahare izany Jesoa dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3917