Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Marka toko 2, 18-22,

       <18Ary fanaon'ny mpianatr'i Joany sy ny Farisiana ny mifady hanina, ka nisy nanatona nanao taminy hoe: Nahoana ny mpianatr'i Joany sy ny an'ny Farisiana no mifady hanina, nefa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady? 19Ary hoy Jesoa taminy: Moa mahazo mifady ny naman'ny mpampakatra raha mbola ao aminy ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy koa ny mpampakatra, dia tsy mahazo mifady izy; 20fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin'izany andro izany vao hifady izy. 21Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin'ny tapa-damba vaovao; fa raha izany dia handrovitra ny tonta ny vaovao ka hitatra ny triatra. 22Ary tsy misy olona manisy divay vaovao amin'ny siny hoditra tonta; fa raha izany dia ho triatry ny divay ny siny hoditra, ka ho very foana ny divay mbamin'ny siny hoditra; fa raha divay vaovao dia aoka ho ao anaty siny hoditra vaovao koa. >