Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-2

23 Indray sabata raha nandeha namaky ny tanimbary Jesoa, dia nioty salohim-bary teny am-pandehanana ny mpianany,

24 ka hoy ny Farisiana taminy: Jereo ange e, nahoana izy ireo no manao ny tsy fanao amin'ny sabata? 25 Fa hoy izy taminy: Moa tsy novakinareo va izay nataon'i Davida raha terin'ny hanoanana izy sy izay nanaraka azy? 26 Fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra izy tamin'ny andron'i Abiatara lehiben'ny mpisorona, ka nihinana ny mofo alahatra izay tsy misy mahazo mihinana afa-tsy ny mpisorona ihany, sady nomeny mbamin'ny mpanaraka azy koa. 27 Dia hoy koa izy taminy: Ny sabata no natao ho an'ny olona, fa tsy ny olona no ho an'ny sabata. 28 Koa ny Zanak'olona dia tompon'ny sabata aza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1742