Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-3

1 Indray mandeha koa dia niditra tao amin'ny sinagoga Jesoa, ary nisy lehilahy anankiray maty tànana an'ila tao.

2 Ary nizaha taratra azy ny sasany na hanasitrana an'io amin'ny sabata izy na tsia, mba hiampangany azy. 3 Dia hoy izy tamin'ilay lehilahy maty tànana: Mitsangàna etsy afovoany. 4 Ary hoy koa izy tamin'ny olona: Inona no mety hatao amin'ny sabata, ny soa sa ny ratsy ny mamonjy aina sa ny mamono? Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo. 5 Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana izy, sy nalahelo noho ny hajamban'ny fony, ary nilaza tamin-dralehilahy hoe: Ahinjiro ny tànanao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany. 6 Ary lasa nivoaka ny Farisiana, ka niaraka tamin'izay dia niara-nihevitra tamin'ny Herodiana hanao izay hahavoazana azy.

7 Fa niala teo Jesoa sy ny mpianany ka nankany amin'ny ranomasina, ary maro ny olona avy tany Galilea no nanaraka azy. 8 Ary maro koa no tany Jodea sy Jerosalema, sy tany Idomea, sy tany an-dafin'i Jordany, ary tamin'ny tany manodidina an'i Tira sy Sidòna no nankeo aminy nony nandre ny nataony. 9 Ary nilaza tamin'ny mpianany izy mba hanomana sambo kely hiandry azy eo noho ny habetsahan'ny vahoaka, fandrao dia poritin'ny olona izy. 10 Fa nahasitrana olona betsaka izy, ka nifanesika hanendry azy izay rehetra nanana aretina. 11 Ary raha mahita azy koa ny fanahy maloto, dia miankohoka eo anatrehany, ka miantso hoe: 12 Hianao no Zanak'Andriamanitra; fa rarany sy rahonany mafy izy ireo mba tsy hanao izay hahafantarana azy. 13 Ary niakatra tamin'ny tendrombohitra anankiray izy, ka niantso izay tiany hankeo aminy, dia nankeo aminy ireo.

14 Ary nanendry roa ambin'ny folo lahy izy hiara-kitoetra aminy sy hirahiny hitory teny, 15 sady hanam-pahefana hanasitrana ny aretina sy handroaka ny demony. 16 Ary Simona nomeny fanampin'anarana hoe Piera; 17 ary Jakoba zanak'i Zebede sy Joany rahalahin'i Jakoba, izay nomeny fanampin'anarana koa hoe Boaneriesy, izany hoe zana-baratra; 18 ary Andre, sy Filipo, sy Bartelemy, sy Matio, sy Tomà, sy Jakoba zanak'i Alfe, sy Tade, sy Simona Zeloty, 19 ary Jodasy Iskariota ilay namadika azy. 20 Niverina nankany an-trano izy, dia nivory indray ny vahoaka, ka tsy afa-nihinana akory izy ireo.

21 Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona azy, fa hoy izy ireo: Efa very saina izy. 22 Ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe: Efa azon'i Belzeboba izy, ary ny filohan'ny demony no androahany ny demony. 23 Nantsoin'i Jesoa izy ireo ka nanaovany fanoharana hoe: Hataon'i Satana ahoana no fandroaka an'i Satana? 24 Raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany; 25 ary raha misy fianakaviana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fianakaviana izany: 26 koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satana, ka miady an-trano, dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny. 27 Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon'ny mahery sy mandroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, vao robainy ny ao an-tranony. 28 Lazaiko marina aminareo fa hahazo famelan-keloka ihany ny zanak'olombelona amin'ny fahotany rehetra, sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay itenenany ratsy an'Andriamanitra; 29 fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, fa manam-pahotana mandrakizay. 30 Satria hoy izy ireo hoe: Manana fanahy maloto izy. 31 Ary tonga ny reniny sy ny rahalahiny, nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso azy.

32 Fa nisy olona maro nipetraka nanodidina azy, dia nilazana izy natao hoe: Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao mitady anao. 33 Fa novaliany hoe: Iza moa no reniko sy rahalahiko? 34 Dia nijery izay nipetraka nanodidina azy izy ka nanao hoe: Ireo no reniko sy rahalahiko; 35 fa na iza na iza manao ny sitra-pon'Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1067