Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Toko faha-3
1 Indray mandeha koa dia niditra tao amin'ny sinagoga Jesoa, ary nisy lehilahy anankiray maty tànana an'ila tao.2 Ary nizaha taratra azy ny sasany na hanasitrana an'io amin'ny sabata izy na tsia, mba hiampangany azy. 3 Dia hoy izy tamin'ilay lehilahy maty tànana: Mitsangàna etsy afovoany. 4 Ary hoy koa izy tamin'ny olona: Inona no mety hatao amin'ny sabata, ny soa sa ny ratsy ny mamonjy aina sa ny mamono? Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo. 5 Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana izy, sy nalahelo noho ny hajamban'ny fony, ary nilaza tamin-dralehilahy hoe: Ahinjiro ny tànanao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany. 6 Ary lasa nivoaka ny Farisiana, ka niaraka tamin'izay dia niara-nihevitra tamin'ny Herodiana hanao izay hahavoazana azy.