Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-3

13 Ary niakatra tamin'ny tendrombohitra anankiray izy, ka niantso izay tiany hankeo aminy, dia nankeo aminy ireo.

14 Ary nanendry roa ambin'ny folo lahy izy hiara-kitoetra aminy sy hirahiny hitory teny, 15 sady hanam-pahefana hanasitrana ny aretina sy handroaka ny demony. 16 Ary Simona nomeny fanampin'anarana hoe Piera; 17 ary Jakoba zanak'i Zebede sy Joany rahalahin'i Jakoba, izay nomeny fanampin'anarana koa hoe Boaneriesy, izany hoe zana-baratra; 18 ary Andre, sy Filipo, sy Bartelemy, sy Matio, sy Tomà, sy Jakoba zanak'i Alfe, sy Tade, sy Simona Zeloty, 19 ary Jodasy Iskariota ilay namadika azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2056