Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Toko faha-3
31 Ary tonga ny reniny sy ny rahalahiny, nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso azy.32 Fa nisy olona maro nipetraka nanodidina azy, dia nilazana izy natao hoe: Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao mitady anao. 33 Fa novaliany hoe: Iza moa no reniko sy rahalahiko? 34 Dia nijery izay nipetraka nanodidina azy izy ka nanao hoe: Ireo no reniko sy rahalahiko; 35 fa na iza na iza manao ny sitra-pon'Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
