Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-4

1 Ary nampianatra teo amoron-dranomasina indray izy, ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy, izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely teo ambonin'ny ranomasina, ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina.

2 Ary nampianatra azy zavatra maro tamin'ny fanoharana izy, ka nilaza tamin'ny fampianarany hoe: 3 Mihainoa: Indro niainga hamafy ny mpamafy, 4 ka nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dàlana, dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy. 5 Ny sasany latsaka tamin'ny tany be vato sy marivo nofo, ka nitsimoka vetivety satria tsy nisy tany lalina; 6 fa nony niposaka ny masoandro, sady nasian'ny hainandro izy no tsy latsa-paka ka maina. 7 Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy. 8 Ary ny sasany latsaka tamin'ny tany tsara, dia naniry sy nitombo ary namoa, ka ny sasany avo telopolo heny, ny sasany avo enim-polo heny, ny sasany avo zato heny. 9 Ary hoy izy: Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino. 10 Nony efa nitokana izy, dia nanontany azy ny amin'ny fanoharana ireo momba azy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy.

11 Ary hoy izy taminy: Hianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin'ny fanjakan'Andriamanitra, fa amin-dry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin'ny fanoharana, 12 mba hahita maso izy fa tsy hahalala, ary handre sofina fa tsy hahafantatra, fandrao hibebaka izy ka havela ny helony. 13 Dia hoy izy: Tsy azonareo va izany fanoharana izany? Koa hataonareo ahoana àry no fahalala ny fanoharana rehetra? 14 Ny mpamafy dia mamafy ny teny. 15 Ireto eo amoron-dàlana dia ny olona izay amafazana ny teny; fa raha vao nahare izy, dia tonga Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony. 16 Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin'ny tany be vato no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana; 17 nefa tsy miorim-paka ao anatiny izy, ka tsy maharitra ela; fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy. 18 Ireo mandray ny voa ao anatin'ny tsilo no izay mihaino ny teny; 19 fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mbamin'ny fanirian-javatra hafa, dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy. 20 Ary ireo mandray ny voa amin'ny tany lonaka no izay sady mihaino ny teny no mandray azy ka mamoa, ny sasany avo telo-polo heny, ny sasany enim-polo heny, ary ny sasany zato heny. 21 Ary hoy koa izy taminy: Moa entina hapetraka ao ambanin'ny vata famarana na ambanin'ny farafara va ny jiro? Moa tsy hapetraka amin'ny fanaovan-jiro va izy?

22 Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy haposaka. 23 Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino. 24 Dia hoy indray izy: Diniho izay renareo. Araka izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo, ary homena mihoatra aza hianareo. 25 Fa izay manana dia homena, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy. 26 Ary hoy koa izy: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray mamafy voa amin'ny tany, 27 ka izy matory sy mahatsiaro isan'alina sy isan'andro, ary ny voa mitsimoka sy mitombo, nefa tsy fantany izay faniriny; 28 fa mahavokatra ho azy ny tany, ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka, vao ventim-bary amin'ny salohiny no farany. 29 Ary rahefa vokatra dia jinjana miaraka amin'izay, satria tonga ny taom-pijinjana. 30 Ary hoy indray izy: Amin'inona no hampitahantsika ny fanjakan'Andriamanitra, ary fanoharana inona no hanehoantsika azy?

31 Tahaka ny voatsinapy izy, izay kely indrindra amin'ny voa rehetra ambonin'ny tany raha vao afafy, 32 fa tonga lehibe indrindra amin'ny anana rehetra kosa rahefa voafafy sy mitombo, ary mandrantsana vaventy ka azon'ny voro-manidina ialofana ny alokalony. 33 Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy, araka izay takatry ny sain'izy ireo. 34 Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin'ny fanoharana izy, fa nony mangingina vao nanambara tamin'ny mpianany ny hevitr'ireo rehetra ireo. 35 Androtr'izay ihany, nony hariva ny andro, dia hoy izy taminy: Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano.

36 Dia nilaozan'izy ireo teo ny olona ka nentiny tamin'izao tao an-tsambo kely Jesoa, ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy. 37 Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely, ka efa nihafeno rano izy. 38 Fa Jesoa kosa natory teo am-body sambo kely tambonin'ny ondana, ka nofohazin'izy ireo izy nilazany hoe: Ry Mpampianatra ô! tsy mampaninona anao va raha maty izahay? 39 Dia nifoha izy ka niteny mafy ny rivotra, ary nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitonia. Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro. 40 Ary hoy izy tamin'izy ireo: Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va hianareo? Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe: Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky azy?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1042