Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-4

1 Ary nampianatra teo amoron-dranomasina indray izy, ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy, izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely teo ambonin'ny ranomasina, ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina.

2 Ary nampianatra azy zavatra maro tamin'ny fanoharana izy, ka nilaza tamin'ny fampianarany hoe: 3 Mihainoa: Indro niainga hamafy ny mpamafy, 4 ka nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dàlana, dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy. 5 Ny sasany latsaka tamin'ny tany be vato sy marivo nofo, ka nitsimoka vetivety satria tsy nisy tany lalina; 6 fa nony niposaka ny masoandro, sady nasian'ny hainandro izy no tsy latsa-paka ka maina. 7 Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy. 8 Ary ny sasany latsaka tamin'ny tany tsara, dia naniry sy nitombo ary namoa, ka ny sasany avo telopolo heny, ny sasany avo enim-polo heny, ny sasany avo zato heny. 9 Ary hoy izy: Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1311