Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-4

35 Androtr'izay ihany, nony hariva ny andro, dia hoy izy taminy: Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano.

36 Dia nilaozan'izy ireo teo ny olona ka nentiny tamin'izao tao an-tsambo kely Jesoa, ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy. 37 Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely, ka efa nihafeno rano izy. 38 Fa Jesoa kosa natory teo am-body sambo kely tambonin'ny ondana, ka nofohazin'izy ireo izy nilazany hoe: Ry Mpampianatra รด! tsy mampaninona anao va raha maty izahay? 39 Dia nifoha izy ka niteny mafy ny rivotra, ary nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitonia. Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro. 40 Ary hoy izy tamin'izy ireo: Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va hianareo? Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe: Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky azy?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0703