Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-4

21 Ary hoy koa izy taminy: Moa entina hapetraka ao ambanin'ny vata famarana na ambanin'ny farafara va ny jiro? Moa tsy hapetraka amin'ny fanaovan-jiro va izy?

22 Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy haposaka. 23 Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino. 24 Dia hoy indray izy: Diniho izay renareo. Araka izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo, ary homena mihoatra aza hianareo. 25 Fa izay manana dia homena, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1