Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-5

1 Nony tafita ny ranomasina izy ireo dia tonga tao amin'ny tanin'ny Geraseny;

2 ka vao niala tao an-tsambo kely izy, dia inty nisy lehilahy anankiray azon'ny fanahy maloto avy tany am-pasana nanatona azy. 3 Tany am-pasana izy io no nitoetra, ary tsy nisy olona nahatana azy am-patorana intsony na dia tamin'ny gadra aza, 4 fa matetika no nafatotra tamin'ny gadra sy tamin'ny rojo vy ny tongony aman-tànany, nefa nopotehiny ny rojo vy ary notapahiny ny gadrany, ka tsy nisy olona nahafolaka azy. 5 Ary mandrakariva dia any am-pasana sy any an-tendrombohitra any foana izy no mirenireny na andro na alina, sady minananana no mandrà-tena amin'ny vato. 6 Fa nony nahatazan-davitra an'i Jesoa izy dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany, 7 ary niantso tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona izaho sy hianao, ry Jesoa Zanak'Andriamanitra Avo indrindra? Mifona aminao amin'ny anaran'Andriamanitra re aho, aza dia mampijaly ahy, 8 satria Jesoa efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin'ity lehilahy ity, ry fanahy maloto. 9 Ary nanontany azy izy nanao hoe: Iza no anaranao? Dia novaliany hoe: Lejiona no anarako, fa betsaka izahay. 10 Ary nifona dia nifona taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin'izany tany izany. 11 Ary teo akaikin'ny tendrombohitra dia nisy kisoa betsaka, andiany iray, nihinana,

12 ka nangataka taminy ireo demony nanao hoe: Alefaso izahay ho any amin'ny kisoa mba hiditra ao aminy. 13 Dia nekeny. Ka nivoaka ny fanahy maloto, dia niditra tao anatin'ny kisoa, ary rifatra nivarina teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina ny kisoa andiany iray, tokony ho roa arivo, ka maty tao tamin'ny ranomasina. 14 Dia nandositra ny mpiandry azy ka nilaza izany tany an-tanàna sy teny an-tsaha; ary nivoaka ny olona hizaha izany zavatra izany. 15 Nankany amin'i Jesoa izy ireo, ary nahita an'ilay azon'ny demony (izay nisy lejiona) nipetraka sy nitafy lamba ary nanan-tsaina, ka raiki-tahotra terý. 16 Nony nolazain'izay nahita tamin'izy ireo izay nahazo ilay azon'ny demony sy ny kisoa, 17 dia nihanta tamin'i Jesoa izy ireo, mba hiala amin'ny taniny. 18 nony niakatra teo an-tsambo kely izy, dia niangavy taminy ilay azon'ny demony mba hanaraka azy; 19 fa tsy navelany izy, fa hoy izy taminy: Andeha ihany mody any an-tranonao any amin'ny havanao ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindràny fo taminao. 20 Dia lasa izy ka nampiely tany Dekapaoly ny zavatra rehetra nataon'i Jesoa taminy, ary gaga ny olona rehetra. 21 Ary rahefa niondrana tamin'ny sambo kely Jesoa ka tafita indray, dia nitangoronan'ny vahoaka teo amoron-dranomasina izy.

22 Dia avy ny anankiray amin'ny lehiben'ny sinagoga atao hoe Jaïra, ka nony nahita azy dia niankohoka tamin'ny tongony izy, 23 sady nihanta mafy taminy nanao hoe: Marary efa ho faty ny zanako vavy, ka andeha re mba hametra-tànana aminy hianao, mba ho sitrana sy ho velona izy. 24 Dia nandeha niaraka taminy izy, ary be ny vahoaka nanaraka azy sy nifanety taminy. 25 Ary nisy vehivavy anankiray nitsi-drà roa ambin'ny folo taona,

26 izay efa niaritra zavatra mafy betsaka tamin'ny mpanao fanafody maro sy nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nihatsara velively, fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza. 27 Nony nahare ny amin'i Jesoa izy, dia nisisika tamin'ny vahoaka ka nanendry ny akanjony avy ao ivohony, 28 fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho. 29 Dia ritra niaraka tamin'izay ny loharanon'aretiny, ka tsaroany tao amin'ny tenany fa sitrana izy. 30 Teo no ho eo ihany dia fantatr'i Jesoa fa nisy hery nivoaka tamin'ny tenany, ka nitodika ny vahoaka izy nanao hoe: Iza no nanendry ny fitafiako? 31 Ary hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao ka hianao manontany hoe: Iza no nanendry ahy? 32 Dia nijerijery manodidina azy izy hizaha ilay vehivavy izay nanao izany. 33 Natahotra ravehivavy sy tera-kovitra satria fantany izay tonga taminy, ka nanatona azy sy niankohoka teo anatrehany izy, dia nilaza ny marina rehetra. 34 Ary hoy izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana, ary sitràna amin'ny aretinao. 35 Raha mbola niteny Jesoa, dia tonga ny avy any an-tranon'ilay lehiben'ny sinagoga ka nanao taminy hoe: Maty ny zanakao vavy, ka nahoana hianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?

36 Fa nony nandre izany teny izany Jesoa dia nilaza tamin'ilay lehiben'ny sinagoga hoe: Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany. 37 Ary tsy nisy navelany hanaraka azy afa-tsy Piera sy Jakoba ary Joany rahalahin'i Jakoba. 38 Ary nony tonga tany an-tranon'ilay lehiben'ny sinagoga izy ireo, dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan'i Jesoa. 39 Ary niditra izy ka niteny tamin'ireo hoe: Nahoana hianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory. 40 Dia nihomehy azy fatratra ny olona; fa izy kosa nandroaka azy rehetra, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin'ireo nanaraka azy niditra tao amin'izay niamparan-drazazavavy, 41 ary nandray ny tànany sy nilaza taminy hoe: Talita, komy, izany hoe: Ry zazavavy, hoy aho aminao, mitsangàna. 42 Niaraka tamin'izay dia nitsangana razazavavy ka namindra fa efa roa ambin'ny folo taona izy, dia talanjona indrindra ny olona. 43 Fa norarany mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr'olona izany, ary nasainy nomen-kanina razazavavy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0374