Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-5

1 Nony tafita ny ranomasina izy ireo dia tonga tao amin'ny tanin'ny Geraseny;

2 ka vao niala tao an-tsambo kely izy, dia inty nisy lehilahy anankiray azon'ny fanahy maloto avy tany am-pasana nanatona azy. 3 Tany am-pasana izy io no nitoetra, ary tsy nisy olona nahatana azy am-patorana intsony na dia tamin'ny gadra aza, 4 fa matetika no nafatotra tamin'ny gadra sy tamin'ny rojo vy ny tongony aman-tànany, nefa nopotehiny ny rojo vy ary notapahiny ny gadrany, ka tsy nisy olona nahafolaka azy. 5 Ary mandrakariva dia any am-pasana sy any an-tendrombohitra any foana izy no mirenireny na andro na alina, sady minananana no mandrà-tena amin'ny vato. 6 Fa nony nahatazan-davitra an'i Jesoa izy dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany, 7 ary niantso tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona izaho sy hianao, ry Jesoa Zanak'Andriamanitra Avo indrindra? Mifona aminao amin'ny anaran'Andriamanitra re aho, aza dia mampijaly ahy, 8 satria Jesoa efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin'ity lehilahy ity, ry fanahy maloto. 9 Ary nanontany azy izy nanao hoe: Iza no anaranao? Dia novaliany hoe: Lejiona no anarako, fa betsaka izahay. 10 Ary nifona dia nifona taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin'izany tany izany. 11 Ary teo akaikin'ny tendrombohitra dia nisy kisoa betsaka, andiany iray, nihinana,

12 ka nangataka taminy ireo demony nanao hoe: Alefaso izahay ho any amin'ny kisoa mba hiditra ao aminy. 13 Dia nekeny. Ka nivoaka ny fanahy maloto, dia niditra tao anatin'ny kisoa, ary rifatra nivarina teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina ny kisoa andiany iray, tokony ho roa arivo, ka maty tao tamin'ny ranomasina. 14 Dia nandositra ny mpiandry azy ka nilaza izany tany an-tanàna sy teny an-tsaha; ary nivoaka ny olona hizaha izany zavatra izany. 15 Nankany amin'i Jesoa izy ireo, ary nahita an'ilay azon'ny demony (izay nisy lejiona) nipetraka sy nitafy lamba ary nanan-tsaina, ka raiki-tahotra terý. 16 Nony nolazain'izay nahita tamin'izy ireo izay nahazo ilay azon'ny demony sy ny kisoa, 17 dia nihanta tamin'i Jesoa izy ireo, mba hiala amin'ny taniny. 18 nony niakatra teo an-tsambo kely izy, dia niangavy taminy ilay azon'ny demony mba hanaraka azy; 19 fa tsy navelany izy, fa hoy izy taminy: Andeha ihany mody any an-tranonao any amin'ny havanao ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindràny fo taminao. 20 Dia lasa izy ka nampiely tany Dekapaoly ny zavatra rehetra nataon'i Jesoa taminy, ary gaga ny olona rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1266