Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-6

17 Fa Heroda io ihany no naniraka hisambotra sy hamatotra an'i Joany tany an-tranomaizina, noho ny amin'i Herodiada vadin'i Filipo rahalahiny izay nalainy ho vady. 18 Satria Joany nanao taminy hoe; Tsy mahazo manam-bady ny vadin-drahalahinao hianao. 19 Koa tonga halan'i Herodiada izy sy niriny ho faty aza, saingy tsy azony natao izany 20 noho ny tahotr'i Heroda an'i Joany, izay hitany fa lehilahy marina sy masina, ka narovany sady narahiny hevitra tamin'ny zavatra maro, sy nohenoiny tamin-kafaliana. 21 Ary tonga ny andro tsara, dia ilay fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i Heroda ka nanaovany fanasana ho an'ny manamboninahiny sy ny tompon'arivo ary ny loholona tany Galilea.

22 Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin'i Herodiada ka nahafaly an'i Heroda sy izay niara-nihinana taminy; dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao, 23 sady nampiany tamim-pianianana hoe: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao, na dia ny antsasaky ny fanjakako aza. 24 Dia nivoaka razazavavy ka nanontany an-dreniny hoe: Inona no angatahiko? Ary hoy reniny: Ny lohan'i Joany Batista. 25 Dia nidodododo faingana nankao amin'ny mpanjaka izy, ka nangataka hoe: Tiako raha homenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao ny lohan'i Joany Batista. 26 Nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ireo olona niara-nihinana taminy dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy, 27 fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray nasainy hitondra ny lohan'i Joany amin'ny lovia. Dia nandeha nanapaka ny lohan'i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina, 28 ka nitondra azy tamin'ny lovia, ary nomeny an-drazazavavy dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa. 29 Nony nandre izany ny mpianany, dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1261