Evanjely Masin'i Jeso-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Marka toko 6. 1-6
Jeso tsy enin-kaja tao amin'ny taniny - Ny nanirahan'i Jeso ny Apostoly - Ny nahafatesan'i Joany Batista - Jeso mampitombo ny mofo dimy, sy mandeha eny ambony ranomasina.
1 Nony niala teo izy dia nankany amin'ny tany nahabe azy, ary nanaraka azy ny mpianany. 2 Ary rahefa sabata ny andro, dia nampianatra tao amin'ny sinagoga izy, ka be tamin'izay nihaino azy no gaga tamin'ny fampianarany sy nanao hoe: Taiza no nahazahoan'izy io izany rehetra izany? Fahendrena manao ahoana izao nomena azy izao, ary ahoana no ahefan'ny tànany izany asa lehibe izany? 3 Moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak'i Maria, rahalahin'i Jakoba sy Josefa ary Joda sy Simona? Moa tsy atý amintsika va ny anabaviny? Dia tafintohina taminy izy ireo. 4 Fa hoy Jeso taminy: Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin'ny taniny sy amin'ny fianakaviany ary amin'ny havany ihany. 5 Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory izy teo, fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin'ny fametrahan-tànana, 6 ary gaga izy noho ny tsy finoan'ireo. Dia nitety ny vohitra manodidina sy nampianatra izy.