Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-6

34 Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy manam-piandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro izy. 35 Nony hariva ny andro dia nanatona azy ny mpianany nanao hoe: Ny tany efitra; ny andro efa hariva,

36 ka alefaso ny olona handeha hividy hanina any amin'ny tanĂ na sy ny vohitra manodidina. 37 Fa izao no navaliny azy ireo: Omeonareo hanina izy; ka hoy ireo taminy: Handeha hividy mofon-denie roan-jato va izahay ka homenay azy hohaniny? 38 Ary hoy izy taminy: Manana mofo firy hianareo? Mandehana hoe zahao. Ary rahefa nozahany, dia hoy izy: Mofo dimy sy hazandrano roa. 39 Dia nasainy hampipetraka ny olona rehetra hatao antokotokony eny amin'ny ahi-maitso izy ireo; 40 ka nipetraka mitsitokotoko izy, ny sasany zato, ary ny sasany dimam-polo. 41 Dia noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, ary niandrandra ny lanitra izy, ka nitso-drano. Rahefa izany, novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany mba harosony eny anoloan'ny olona, ary nozarainy tamin'izy rehetra koa ny hazandrano roa. 42 Dia nihinana izy rehetra ka voky; 43 ary ny sombintsombin'ny mofo sy ny hazandrano sisa tsy lany nahafeno sobiky roa ambin'ny folo ka nentiny nody. 44 Dimy arivo lahy anefa no isan'ny nihinana tao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0894