Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-6

7 Ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy izy, ka naniraka azy tsiroaroa, sy nanome fahefana azy handroaka ny fanahy maloto.

8 Ary norarany tsy hitondra na inona na inona eny an-dàlana izy ireo na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin'ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany, 9 fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa. 10 Ary hoy koa izy taminy: Na aiza na aiza halehanareo, dia mitoera amin'izay trano hidiranareo ambara-pialanareo. 11 Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo, dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo ho fiampangana azy. 12 Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin'ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy, 13 sy nandroaka demony maro, ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1002