Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-7

1 Ary niangona teo amin'i Jesoa ny Farisiana sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema,

2 ka nahita ny mpianany sasany nihinana tamin'ny tànana tsy madio, izany hoe tsy voasasa. 3 Fa ny Farisiana sy ny Jody rehetra dia tsy mihinana raha tsy efa voasasany tsara aloha ny tànany, fa mitana ny fanaon-drazana izy; 4 ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa. Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana, dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahina, ary ny farafara fihinanana. 5 Ka dia nanontany azy ny Farisiana mbamin'ny mpanora-dalàna nanao hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana, fa mihinana amin'ny tànana tsy misasa? 6 Ary hoy ny navaliny azy ireo: Marina tokoa ny naminanian'Izaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja ahy amin'ny molony, fa manalavitra ahy ny fony; 7 koa foana ny ivavahan'ireo amiko satria didin'olombelona no ataony fampianarana. 8 Ny didin'Andriamanitra foinareo, fa ny fanaon'ny olona kosa tànanareo, toy ny manasa tavoara sy kapoaka, ary manaraka fomba maro toy izany koa hianareo. 9 Dia hoy izy taminy: Marina fa nofoananareo tokoa ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny fomban-drazanareo. 10 Fa hoy Moizy: Manajà ny rainao sy ny reninao, ary koa: Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hohelohina ho faty. 11 Fa hoy kosa hianareo: Raha misy milaza amin'ny rainy na amin'ny reniny hoe: Ny zavatra izay tokony ho entiko manampy anao dia efa korbana izany hoe: fanatitra ho an'Andriamanitra, 12 dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an'ny rainy na ny reniny intsony, 13 ka dia foananareo amin'ny fanaon-drazana asainareo tandremana ny tenin'Andriamanitra; sady maro koa ny zavatra toy izany ataonareo. 14 Ary niantso ny vahoaka nankeo aminy indray izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy hianareo rehetra, ka mahafantara. 15 Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy. 16 Raha misy manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino. 17 Nony niala teo amin'ny vahoaka izy ka tonga tany an-trano, dia nanontanian'ny mpianany ny amin'ilay fanoharana,

18 ary hoy izy taminy: Hay! hianareo koa mba kely fahalalana toy izany. Tsy fantatrareo va fa izay avy eo ivelany ka miditra ao anatin'ny olona dia tsy mahaloto azy, 19 satria tsy miditra ao am-pony izany fa ao an-kibony ihany, ka ariana any an-katakonana? Izany no mahadio ny hanina rehetra. 20 Fa izay mivoaka avy amin'ny olona, hoy izy, no mahaloto ny olona; 21 satria avy ao anaty, dia avy amin'ny fon'ny olona no ihavian'ny sain-dratsy: dia ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona, 22 ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana; 23 izany zava-dratsy rehetra izany no avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy. 24 Nony niala teo izy dia nankany amin'ny faritanin'i Tira sy Sidona, ary niditra tao an-trano anankiray, fa tsy te-ho fantatr'olona, nefa tsy nahazo niery.

25 Fa vetivety foana dia nisy vehivavy anankiray nanan-janakavavy azon'ny fanahy maloto nandre izany, ka tonga niankohoka tamin'ny tongony. 26 Jentily avy amin'ny firenena Sirofenisa ravehivavy, ary ny nangatahiny taminy dia ny handroahany ny demony amin'ny zanany vavy. 27 Fa hoy izy taminy: Aoka ho voky aloha ny zanaka; fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ny amboa. 28 Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe: Marina izany, Tompoko; kanefa ny amboa kely koa mba mihinana ny sobintsombin'ny mofon-jaza ao ambany latabatra ihany. 29 Ary hoy izy taminy: Mandehana, fa noho izany teny izany, dia efa niala tamin'ny zanakao vavy ny demony. 30 Nony tonga tany an-tranony izy, dia nahita ny zanany vavy nandry teo am-parafara fa efa nialan'ny demony. 31 Niala indray tany amin'ny faritanin'i Tira Jesoa, ary namaky ny faritanin'i Sidona ka tonga tany amoron'ny ranomasin'i Galilea, amin'ny faritanin'i Dekapaoly.

32 Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana nentin'izy ireo teo aminy sy nangatahany mba hametrahany tànana. 33 Dia nitondra azy niavaka tamin'ny vahoaka izy, ka nangarona ny sofiny tamin'ny rantsan-tànany sy nanisy rora ny lelany. 34 Rahefa izany dia niandrandra ny lanitra izy, sady nisento ary nanao taminy hoe: Efeta, izany hoe, misokafa. 35 Niaraka tamin'izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha ny fatoran'ny lelany, ka niteny tsara izy. 36 Ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin'iza na amin'iza; fa araka ny nandrarany azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza; 37 sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe: Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina izy ary nampiteny ny moana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0924