Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-7

14 Ary niantso ny vahoaka nankeo aminy indray izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy hianareo rehetra, ka mahafantara. 15 Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy. 16 Raha misy manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino. 17 Nony niala teo amin'ny vahoaka izy ka tonga tany an-trano, dia nanontanian'ny mpianany ny amin'ilay fanoharana,

18 ary hoy izy taminy: Hay! hianareo koa mba kely fahalalana toy izany. Tsy fantatrareo va fa izay avy eo ivelany ka miditra ao anatin'ny olona dia tsy mahaloto azy, 19 satria tsy miditra ao am-pony izany fa ao an-kibony ihany, ka ariana any an-katakonana? Izany no mahadio ny hanina rehetra. 20 Fa izay mivoaka avy amin'ny olona, hoy izy, no mahaloto ny olona; 21 satria avy ao anaty, dia avy amin'ny fon'ny olona no ihavian'ny sain-dratsy: dia ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona, 22 ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana; 23 izany zava-dratsy rehetra izany no avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1049