Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-7

24 Nony niala teo izy dia nankany amin'ny faritanin'i Tira sy Sidona, ary niditra tao an-trano anankiray, fa tsy te-ho fantatr'olona, nefa tsy nahazo niery.

25 Fa vetivety foana dia nisy vehivavy anankiray nanan-janakavavy azon'ny fanahy maloto nandre izany, ka tonga niankohoka tamin'ny tongony. 26 Jentily avy amin'ny firenena Sirofenisa ravehivavy, ary ny nangatahiny taminy dia ny handroahany ny demony amin'ny zanany vavy. 27 Fa hoy izy taminy: Aoka ho voky aloha ny zanaka; fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ny amboa. 28 Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe: Marina izany, Tompoko; kanefa ny amboa kely koa mba mihinana ny sobintsombin'ny mofon-jaza ao ambany latabatra ihany. 29 Ary hoy izy taminy: Mandehana, fa noho izany teny izany, dia efa niala tamin'ny zanakao vavy ny demony. 30 Nony tonga tany an-tranony izy, dia nahita ny zanany vavy nandry teo am-parafara fa efa nialan'ny demony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0512