Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-7

1 Ary niangona teo amin'i Jesoa ny Farisiana sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema,

2 ka nahita ny mpianany sasany nihinana tamin'ny tànana tsy madio, izany hoe tsy voasasa. 3 Fa ny Farisiana sy ny Jody rehetra dia tsy mihinana raha tsy efa voasasany tsara aloha ny tànany, fa mitana ny fanaon-drazana izy; 4 ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa. Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana, dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahina, ary ny farafara fihinanana. 5 Ka dia nanontany azy ny Farisiana mbamin'ny mpanora-dalàna nanao hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana, fa mihinana amin'ny tànana tsy misasa? 6 Ary hoy ny navaliny azy ireo: Marina tokoa ny naminanian'Izaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja ahy amin'ny molony, fa manalavitra ahy ny fony; 7 koa foana ny ivavahan'ireo amiko satria didin'olombelona no ataony fampianarana. 8 Ny didin'Andriamanitra foinareo, fa ny fanaon'ny olona kosa tànanareo, toy ny manasa tavoara sy kapoaka, ary manaraka fomba maro toy izany koa hianareo. 9 Dia hoy izy taminy: Marina fa nofoananareo tokoa ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny fomban-drazanareo. 10 Fa hoy Moizy: Manajà ny rainao sy ny reninao, ary koa: Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hohelohina ho faty. 11 Fa hoy kosa hianareo: Raha misy milaza amin'ny rainy na amin'ny reniny hoe: Ny zavatra izay tokony ho entiko manampy anao dia efa korbana izany hoe: fanatitra ho an'Andriamanitra, 12 dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an'ny rainy na ny reniny intsony, 13 ka dia foananareo amin'ny fanaon-drazana asainareo tandremana ny tenin'Andriamanitra; sady maro koa ny zavatra toy izany ataonareo. 14 Ary niantso ny vahoaka nankeo aminy indray izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy hianareo rehetra, ka mahafantara.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2648