Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-8

11 Ary nanatona azy ny Farisiana, ka niady hevitra taminy sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy, mba hakany fanahy azy. 12 Dia nisento mafy izy ka nanao hoe: Ahoana no itadiavan'ity taranaka ity famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana ity taranaka ity. 13 Dia nilaozany izy ireo ka niondrana an-tsambo kely indray izy nankeny am-pita.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0352