Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Marka toko 8, 22-26,

       <22Dia tonga tany Betsaida izy ireo, ary nisy nitondra lehilahy jamba anankiray teo aminy, sy nangataka taminy mba hanendry azy. 23Dia noraisin'i Jesoa ny tànan'ilay jamba, ka nentiny nivoaka ny tanàna izy; nasiany rora ny masony, nametrahany tànana izy, ary nanontaniany raha mahita zavatra. 24Dia niandrandra ilay jamba ka nanao hoe: Ny fahitako ny olona mamindra dia sahalahala amin'ny hazo. 25Dia nametrahany tànana indray ny masony, ka nasainy nijery izy, izay vao sitrana tsara sy nahita mazava ny zavatra rehetra. 26Ary nasain'i Jesoa nody any an-tranony izy sy nilazany hoe: Modia any an-tranonao, fa aza miakatra ao an-tanàna na milaza izany amin'ny olona ao an-tanàna. >