Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-8

27 Avy ao Jesoa sy ny mpianany, dia nankany amin'ny vohitra manodidina an'i Sezarean'i Filipo, ary teny an-dàlana dia nanontany ny mpianany izy nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa aho?

28 Ary namaly azy ireo, nanao hoe: Joany Batista, hoy ny sasany; Elia, hoy ny sasany; ary anankiray amin'ny mpaminany, hoy kosa ny sasany. 29 Fa hianareo kosa, manao ahy ho iza? hoy izy tamin'izy ireo. Dia namaly Piera ka nanao taminy hoe: Hianao no Kristy. 30 Ary norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza azy na amin'iza na amin'iza. 31 Tamin'izay nambarany tamin'izy ireo fa ny Zanak'olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin'ny lohandohan'ny mpisorona sy mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana,

32 sady nataony mazava tsara no filaza izany. Dia nentin'i Piera nitanila izy ka noteneniny mafy. 33 Fa nihodina nijery ny mpianany izy, ary niteny mafy an'i Piera hoe: Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an'Andriamanitra hianao, fa araka ny olombelona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1085