Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-9

1 Henemana taorian'izany dia nalain'i Jesoa Piera sy Jakoba ary Joany ka nentiny nitokana tany an-tampon'ny tendrombohitra avo anankiray, dia niova tarehy teo anatrehany izy.

2 Tonga nanjelanjelatra sady fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany, ka tsy misy mpamotsy lamba mahafotsy toy izany etý an-tany. 3 Ary niseho tamin'izy ireo Elia sy Moizy, sady niresaka tamin'i Jesoa. 4 Dia niteny Piera ka nanao tamin'i Jesoa hoe: Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra atý; aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho anao, ny iray ho an'i Moizy, ary ny iray ho an'i Elia. 5 Fa tsy fantany izay nolazainy, satria raiki-tahotra loatra izy ireo. 6 Tamin'izay dia nisy rahona nanarona azy; ary nisy feo avy tao amin'io rahona io nanao hoe: Ity no Zanako malalako indrindra, henoy izy. 7 Niaraka tamin'izay dia nijerijery manodidina izy ireo, nefa tsy nahita olona intsony, fa Jesoa irery sisa teo aminy. 8 Nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo, dia norarany tsy hilazalaza amin'olona ny zavatra vao hitany, mandrapitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty. 9 Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany, sady nifampaka saina izy ny amin'izay hevitr'izany hoe, mitsangana amin'ny maty. 10 Ary nanontany azy izy ireo nanao hoe: Ahoana ary no ilazan'ny Farisiana sy ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha Elia?

11 Dia hoy Jesoa hoe: Tsy maintsy ho avy aloha Elia sy hanavao ny zavatra rehetra; fa ahoana kosa no nanoratana ny amin'ny Zanak'olona fa tokony hijaly mafy izy sy hotevatevaina izaitsizy? 12 Ary lazaiko aminareo fa efa tonga sahady Elia, sady nataon'ny olona taminy izay sitraky ny fony, araka ny nanoratana azy. 13 Nony tafaverina teo amin'ny mpianany izy dia nahita vahoaka betsaka nanodidina azy, sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy.

14 Gaga ny olona rehetra nony nahita an'i Jesoa, ka nidodododo hiarahaba azy niaraka tamin'izay. 15 Dia nanontany azy ireo izy nanao hoe: Ny amin'ny inona no iadianareo hevitra amin'ireto? 16 ka novalian'ny anankiray tamin'ny vahoaka hoe: Ry Mpampianatra ô, nitondra ny zanako lahy azon'ny demony moana nankaty aminao aho; 17 fa na aiza na aiza ahazoany azy dia sady akapokapony izy no mandoa vory sy mikitronify, ka efa mihamalazolazo erý; ary efa nangataka ny mpianatrao handroaka azy aho, fa tsy nahomby izy ireo. 18 Dia niteny Jesoa nanao hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atý amiko izy. 19 Dia nentiny nankeo aminy izy, ary vantany vao nahita azy ny demony, dia nampifanintotsintona ny zaza ka lavo nitsinkasina sady nandoa vory. 20 Dia nanontany ny rain-drazazalahy Jesoa nanao hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan'izao taminy? Ka novaliany hoe: Hatry ny fony izy mbola kely; 21 ary matetika izy no nazeran'ny demony tamin'ny afo sy tany anaty rano mba hahafaty azy; ka raha mba misy hainao re, mamindra fo aminay, ary vonjeo izahay! 22 Dia hoy Jesoa taminy: Raha hainao ny mino, tsy misy tsy azo atao ho an'izay mino. 23 Niaraka tamin'izay, dia sady niantso mafy ny rain-drazazalahy no nanao an-dranomaso hoe: Mino aho, Tompoko, fa vonjeo re ity tsy finoako. 24 Ary nony nahita ny vahoaka nidodododo nanatona azy Jesoa, dia niteny mafy ny fanahy maloto izy nanao hoe: Ry fanahy marenina sy moana, izaho mandidy anao, mivoaha amin'io zaza io, ka aza miditra ao aminy intsony. 25 Dia sady ninananana ny demony no nampifanintontsintona azy mafy vao niala taminy, ka efa toy ny maty ilay zazalahy, ary efa nataon'ny maro hoe maty aza. 26 Fa noraisin'i Jesoa tamin'ny tànany izy, dia nareniny, ka nitsangana. 27 Nony tonga tany an-trano izy, dia nanontanian'ny mpianany mangingina hoe: Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?

28 Ka hoy izy taminy: Tsy azo roahina afa-tsy amin'ny fivavahana sy ny fifadian-kanina izany karazan-demony izany. 29 Nony niala teo izy ireo, dia namaky an'i Galilea, ary tsy tian'i Jesoa ho fantatr'olona izany,

30 fa nampianatra ny mpianany izy ary nanao taminy hoe: Hatolotra eo an-tanan'ny olombelona ny Zanak'olona, dia hovonoiny, fa hitsangana amin'ny maty izy raha afaka hateloana aorian'ny hahafatesany. 31 Tsy fantatr'izy ireo anefa izany teny izany, sady tsy sahiny nanontaniana azy koa. 32 Dia tonga tany Kafarnaoma izy ireo, ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny mpianany Jesoa nanao hoe: Inona izany niadianareo hevitra tany an-dàlana izany?

33 Fa tsy niteny tsy nivolana izy, satria ny amin'izay ho lehibe indrindra amin'izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dàlana. 34 Dia nipetraka izy ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Izay te-ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon'ny olona rehetra. 35 Ary nandray zaza anankiray izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy, ary hoy izy tamin'ny mpianany hoe: 36 Na iza na iza handray anankiray amin'ny zazakely toy itony amin'ny anarako, dia handray ahy, ary izay mandray ahy dia tsy mandray ahy, fa izay naniraka ahy. 37 Ary niteny Joany ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony amin'ny anaranao izahay; nefa tsy namantsika ka noraranay. 38 Fa hoy Jesoa: Aza raranareo izy; fa tsy misy olona hanao fahagagana amin'ny anarako ka hanaratsy ahy vetivety foana. 39 Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. 40 Na iza na iza hanome rano eran'ny kapoaka anareo amin'ny anarako, satria an'ny Kristy hianareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy. 41 Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin'ireny madinika mino ahy ireny, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarina amin'ny vozony, ka havarina any anaty ranomasina izy.

42 Raha ny tànanao no manafintohina anao, tapaho izy; fa aleo kilemaina miditra any amin'ny fiainana hianao, toy izay manan-tanan-droa havarina any amin'ny gehena, dia any amin'ny afo tsy azo vonoina, 43 izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay. 44 Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy, fa aleo tapa-tongotra an'ila miditra any amin'ny fiainana hianao toy izay manana tongotra roa havarina any amin'ny gehen'afo tsy azo vonoina, 45 izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay. 46 Raha ny masonao no manafintohina anao, esory izy, fa aleo toka-maso miditra any amin'ny fanjakan'Andriamanitra hianao, toy izay mana-maso roa havarina any amin'ny gehen'afo, 47 izay tsy mety maty ny olitr'izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo. 48 Fa izy rehetra any hosiraina amin'ny afo, toy ny sorona rehetra siraina amin'ny sira. 49 Tsara ny fanasina: fa rahefa lefy izy, inona no hampodianareo ny tsirony? Tano tsara ny sira aminareo, ka mihavàna hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0368